Ho fanomanana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahana eto Madagasikara ny taona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faha 05 desambra 2022, Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, niaraka tamin’ ireo tompon’andrakitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
BASKETBALL: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY
Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Federasionina Malagasy ny taranja Basketball, Andriamatoa Jean Michel RAMAROSON, ny 17 martsa 2023. Niarahaba sy nirary soa...