Ho fanomanana ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahana eto Madagasikara ny taona 2023 dia nanatanteraka fitsidihana ny toerana hametrahana ny biraon’ny komity mpikarakara ny lalaon’ny Nosy na ny COJI tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faha 05 desambra 2022, Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, niaraka tamin’ ireo tompon’andrakitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.
FESTIVAL DES RUGBYS 2023
Tontosa ny 11 jona 2023, tetsy amin'ny kianja Makis Andohatapenaka ny Festival des Rugbys 2023 izay hetsika eo ambany fiahian'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena hiarahana amin'ny Masoivohon'i Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, ny Rugby Malagasy, ny...