Nandray ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena 2 misahana ny taranja tolona tao amin’ny toeram-piasany ao Ambohijatovo, ny faha 06 desambra 2022 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.
Ramatoa Anne CATHERINE, mpanao fanatanjahantena matihanina teo aloha, efa tompondakan’i Frantsa sy Eropa ny taona 1997 ary nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny taona 2007, nahazo ny medaly varahina, sy Andriamatoa Josepino MASSIDA, manampahaizana iraisam-pirenena avy ao amin’ny Fikambanan’ny Federasiona Frankofona taranja tolona, mpanazatra teo aloha ny ekipam-pirenena Frantsay nandritra ny 11 taona.
Mifanindran-dalana amin’ny politika apetraky ny fanjakana eo amin’ny fampandrosoana ny Fanatanjahantena ny fahatongavan’izy ireo eto an-toerana ka nanatanteraka fampiofanana indroa miantoana natokana ho an’ny atleta sy ny mpanazatra.
Nisaotra azy ireo Andriamatoa Ministra amin’ny fananan’izy ireo fandavan-tena manampy ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fiaraha-miasa mandritra ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023.