MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA TOLONA: FAMARANANA NY FIOFANANA NIARAHANA TAMIN’IREO MANAM-PAHAIZANA IRAISAM-PIRENENA

Nifarana ny 08 desambra 2022, tetsy amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha ny fiofanana ho an’ireo Atleta mpiangaly ny taranja tolona, izay niarahana tamin-dRamatoa Anne-Catherine DELUNTSCH, manam-pahaizana iraisam-pirenena amin’izany taranja izany.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay atao eto Madagasikara ny taona 2023 no tanjona amin’izao fiofanana izao. Hisy ihany koa ny fandefasana Atleta miisa 20 eo amin’ity taranja ity hisitraka fiofanana any Bulgarie ny volana febroary hatramin’ny volana may 2023.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera ary nitsodrano azy ireo hitondra avo ny voninahim-pirenena mandritra ny lalaon’ny Nosy 2023.

Autre Articles

ONIVERSITE ANTANANARIVO

ONIVERSITE ANTANANARIVO

Ho fanohanana ny Tanora eny anivon'ny anjery manontolo dia nisy ny fihaonana izay niarahana tamin'ny Filohan'ny Oniversite Antananarivo, Andriamatoa Profesora Mamy Raoul RAVELOMANANA, sy ny Filoha lefitra ny Oniversiten’Antananarivo, Ramatoa RAVAOMANARIVO Lala, ny 04...

JUDO: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

JUDO: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Nandray ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo, Andriamatoa SAID Bruno Eric sy Ramatoa Laura RASOANAIVO, tao amin'ny biraony Ambohijatovo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 1 aprily 2023. Fanamafisiana hatrany...

SKOTISMA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

SKOTISMA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA amin'ny maha Minisitra mpiahy ny Tanora azy tao amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Tily sy Mpanazava eto Madagasikara, ny 29 martsa 2023. Ny skotisma dia fikambanana iray manerana izao tontolo...

TOAMASINA: FANOMANANA NY FIOFANANA LIFESKILLS

TOAMASINA: FANOMANANA NY FIOFANANA LIFESKILLS

Nihaona tamin'ireo solotenan'ny tanora sy filoham-pikambanana samihafa tao Toamasina ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, ny 24 martsa 2023. Fihaonana ho fanomanana ny fiofanana "LIFESKILLS" izay tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny...

« RENCONTRE DE L’ACADÉMIE NATIONALE DES SPORTS »

« RENCONTRE DE L’ACADÉMIE NATIONALE DES SPORTS »

Notanterahina ny faha 24 martsa 2023 tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha ny « RENCONTRES DE L’ANS » andiany voalohany. Ny anjara toerana, andraikitra ary ny antom-pisian’ny Académie Nationale des Sports eo amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny...