MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA TOLONA: FAMARANANA NY FIOFANANA NIARAHANA TAMIN’IREO MANAM-PAHAIZANA IRAISAM-PIRENENA

Nifarana ny 08 desambra 2022, tetsy amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha ny fiofanana ho an’ireo Atleta mpiangaly ny taranja tolona, izay niarahana tamin-dRamatoa Anne-Catherine DELUNTSCH, manam-pahaizana iraisam-pirenena amin’izany taranja izany.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy andiany faha 11 izay atao eto Madagasikara ny taona 2023 no tanjona amin’izao fiofanana izao. Hisy ihany koa ny fandefasana Atleta miisa 20 eo amin’ity taranja ity hisitraka fiofanana any Bulgarie ny volana febroary hatramin’ny volana may 2023.

Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera ary nitsodrano azy ireo hitondra avo ny voninahim-pirenena mandritra ny lalaon’ny Nosy 2023.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....