MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANOKAFANA NY FORUM INTERNATIONAL DE LA JEUNESSE ET DE L’EMPLOI VERT (FIJEV)

Notanterahana ny 12 desambra 2022 tao amin’ny IKM Antsahavola ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Forum International de la Jeunesse et de l’Emploi Vert andiany faha-2 na ny FIJEV izay sehatra hampivondronana sy hanohanana ireo tanora misehatra amin’ny fandraharahana maitso.

Naharitra roa andro ny hetsika tamin’ity andiany ity. Nisitraka fampiofanana ireo tanora miisa 70, izay efa mpandray anjara tamin’ny taona 2019, toy ny: fanaraha-maso ny tetik’asan’izy ireo, fanohanana ara-teknika, fifanakalozana amin’ireo matihanina, paik’ady enti-miady amin’ny sehatry ny varotra eto an-toerana na eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena ary indrindra fiofanana fanamafisana fahaiza-manao.

Tonga nanotrona sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao lanonam-panokafana izao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera sy ny masoivoho sady solotenan’ny OIF eto amin’ny faritra ranomasimbe Indiana, Andriamatoa Léonard-Emile OGNIMBA.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra no nanambarany fa na dia teo aza ny valan’aretina Codiv-19 dia mbola maro ny fahafahana ho an’ny tanora vonona nisehatra amin’ny fandraharahana na eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fanodinana fotsiny aza.

Nisaotra ny OIF ny tenany amin’ny fiaraha-miasa efa nisy izay niarahana tamin’ny Minisitera sy ny fanohanana ireo tanora amin’ny alalan’ny FIJEV ary nankahery ireo tanora mba hijoro hatrany sy handray andraikitra ho fampandrosoana ny firenena. Nanamafy ihany koa ny tenany fa misokatra hatrany ny varavaran’ny Minisitera ho an’ireo tanora rehetra.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

MORONDAVA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika ara-pomba ofisialy ny Préfet an'i Morondava sy ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Menabe ny delegasiona avy eto amin'ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy, ny...

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

YOUTH CORNER 2023, FANARARAOTRA HOAN’NY TANORA

Notanterahana ny 7 Jolay 2023 tao amin'ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika Youth Corner izay karakarain'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Aharitra 2 andro, ny 7 sy 8 Jolay ny hetsika ary ahitana sy ahalalan'ny...

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

BOENY: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga sy faritra Toamasina dia anjaran'ny tanora tao amin'ny faritra Boeny indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja...

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

BASKET-BALL: FITSENANA IREO ANKOAY U19

Tafaverina an-tanindrazana ny 04 jolay 2023 ny ekipam-pirenena Malagasy ANKOAY izay nitondra avo ny voninahim-pirenenanandritra ny fifaninanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany eo amin'ny taranja basket-ball latsaky ny 19 taona, natao tany Debrecen Hongrie....

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

TARANJA BRAS DE FER: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I AFRIKA

Nigadona an-tanindrazana ny 26 Jona 2023 i RANOMENJANJARY Sitrakiniaina Alban, atleta nisolo tena an'i Madagasikara tamin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika taranja Bras de Fer, izay natao tao Accra. Medaly miisa efatra (4) no azon'i Madagasikara izay mitsinjara toy...