MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FANOKAFANA NY FORUM INTERNATIONAL DE LA JEUNESSE ET DE L’EMPLOI VERT (FIJEV)

Notanterahana ny 12 desambra 2022 tao amin’ny IKM Antsahavola ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Forum International de la Jeunesse et de l’Emploi Vert andiany faha-2 na ny FIJEV izay sehatra hampivondronana sy hanohanana ireo tanora misehatra amin’ny fandraharahana maitso.

Naharitra roa andro ny hetsika tamin’ity andiany ity. Nisitraka fampiofanana ireo tanora miisa 70, izay efa mpandray anjara tamin’ny taona 2019, toy ny: fanaraha-maso ny tetik’asan’izy ireo, fanohanana ara-teknika, fifanakalozana amin’ireo matihanina, paik’ady enti-miady amin’ny sehatry ny varotra eto an-toerana na eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena ary indrindra fiofanana fanamafisana fahaiza-manao.

Tonga nanotrona sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izao lanonam-panokafana izao ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ireo mpiara-miasa aminy eto anivon’ny Minisitera sy ny masoivoho sady solotenan’ny OIF eto amin’ny faritra ranomasimbe Indiana, Andriamatoa Léonard-Emile OGNIMBA.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitra no nanambarany fa na dia teo aza ny valan’aretina Codiv-19 dia mbola maro ny fahafahana ho an’ny tanora vonona nisehatra amin’ny fandraharahana na eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fanodinana fotsiny aza.

Nisaotra ny OIF ny tenany amin’ny fiaraha-miasa efa nisy izay niarahana tamin’ny Minisitera sy ny fanohanana ireo tanora amin’ny alalan’ny FIJEV ary nankahery ireo tanora mba hijoro hatrany sy handray andraikitra ho fampandrosoana ny firenena. Nanamafy ihany koa ny tenany fa misokatra hatrany ny varavaran’ny Minisitera ho an’ireo tanora rehetra.

Autre Articles

FAMPIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FAMPIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny nahavitan'ireo tanora avy amin'ny Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy ny module 1 , culture de vision na ny kolontsainan'ny vina dia nisitraka fiofanana mahakasika ny "module" manaraka indray izy ireo. Tontosa tao amin'ny ANS Ampefiloha ny 27 may 2023...

FIHAONAMBEN’NY KARATE MALAGASY

FIHAONAMBEN’NY KARATE MALAGASY

Notanterahana ny 27 may tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny lanonana fanokafana ny fihaonamben'ny Karate Malagasy izay mifanindran-dalana amin'ny fiadiana ny "Coupe du Président" izay haharitra roa andron'ny 27 hatramin'ny 28 may 2023. Nandritra izany...

HERINANDRON’NY MPANAZAVA « MPANAZAVA DAY »

HERINANDRON’NY MPANAZAVA « MPANAZAVA DAY »

Tontosa ny 27 may 2023 ny famaranana ny Herinandron'ny Mpanazava "Mpanazava Day" tao amin'ny LTP Alarobia. Hetsika maro no nanehoan'ireo zatovovavy ity "Mpanazava Day" ity toy ny hetsika ara-kolontsaina, ny hetsika ara-panatanjahantena, ny fampirantiana tamin'ny trano...

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

FIOFANANA MAHAKASIKA NY HAITANTANA

Notanterahana ny 22 hatramin'ny 26 May 2023 tao amin'ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha ny fiofanana mahakasika ny haitantana ho fanamafisana ny fahaiza-manao ho an'ireo mpiara-miasa eto anivon'ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay...

NASSER FELLOWSHIP

NASSER FELLOWSHIP

Noraisin' Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao amin'ny biraony ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina, ny faha 25 May 2023 i RAPO NAKANY Nichols Atlas izay hisolotena an'i Madagasikara mandritra ny Nasser fellowship izay hatao any...

TARANJA RUGBY: TETIKASA GET IN TO RUGBY 2.0

TARANJA RUGBY: TETIKASA GET IN TO RUGBY 2.0

Nandray ny tompon'andraikitry ny Get in to Rugby 2.0 avy eo anivon'ny World Rugby, Ramatoa Ninette KRUYT, ny Tale misahana ny taniketsan'ny Fanatanjahantena eto anivon'ny  Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud sy ny...