MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA IRAISAM-PIRENENA MOMBAN’NY LALAON’NY NOSY (CIJ)

Tanterahana eto Madagasikara ny 14 hatramin’ny 16 desambra 2022 izao ny fivorian’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasim-be Indiana izay fivoriana mahakasika ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana eto Madagasikara ny taona 2023.

Firenena 7 mandrafitra ny CIJ no mandray anjara amin’izany toy ny: Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara.

Manatrika izany ihany koa ny ORAD Océan Indien.

Tonga nanokatra izany fivoriana izany tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hotel Novotel Alarobia, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto sy ireo mpiara-miasa aminy io maraina io.

Tamin’izany no nanambarany fa vonona tanteraka ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ary mandritra ity fivoriana ity no hanaovan’ireo mpikambana ao amin’ny CIJ ny fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena handray izany fifaninanana izany.

Autre Articles

ONIVERSITE ANTANANARIVO

ONIVERSITE ANTANANARIVO

Ho fanohanana ny Tanora eny anivon'ny anjery manontolo dia nisy ny fihaonana izay niarahana tamin'ny Filohan'ny Oniversite Antananarivo, Andriamatoa Profesora Mamy Raoul RAVELOMANANA, sy ny Filoha lefitra ny Oniversiten’Antananarivo, Ramatoa RAVAOMANARIVO Lala, ny 04...

JUDO: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

JUDO: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Nandray ny Filohan'ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo, Andriamatoa SAID Bruno Eric sy Ramatoa Laura RASOANAIVO, tao amin'ny biraony Ambohijatovo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 1 aprily 2023. Fanamafisiana hatrany...

SKOTISMA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

SKOTISMA: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nihaona tamin'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA amin'ny maha Minisitra mpiahy ny Tanora azy tao amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan'ny Tily sy Mpanazava eto Madagasikara, ny 29 martsa 2023. Ny skotisma dia fikambanana iray manerana izao tontolo...

TOAMASINA: FANOMANANA NY FIOFANANA LIFESKILLS

TOAMASINA: FANOMANANA NY FIOFANANA LIFESKILLS

Nihaona tamin'ireo solotenan'ny tanora sy filoham-pikambanana samihafa tao Toamasina ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, ny 24 martsa 2023. Fihaonana ho fanomanana ny fiofanana "LIFESKILLS" izay tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny...

« RENCONTRE DE L’ACADÉMIE NATIONALE DES SPORTS »

« RENCONTRE DE L’ACADÉMIE NATIONALE DES SPORTS »

Notanterahina ny faha 24 martsa 2023 tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha ny « RENCONTRES DE L’ANS » andiany voalohany. Ny anjara toerana, andraikitra ary ny antom-pisian’ny Académie Nationale des Sports eo amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny...