Nanatanteraka fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eo an-dalam-pamitana toy ny dobo filomanosana olaimpika sy ny kianja mitafo mahazaka mpijery 4.000 ao renivohim-paritry ny Boeny, ny 15 desambra 2022 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra iraisam-pirenena momban’ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina na ny CIJ. Marihana fa isan’ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ireo notsidihana ireo.
FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY AMBASADAORON’ I IRAN
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA tao amin'ny biraony teto Ambohijatovo ny Ambasadaoron'i Iran monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa HASSAN Ali Bakhshi, androany 6 aprily...