Nanatanteraka fitsidihana ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eo an-dalam-pamitana toy ny dobo filomanosana olaimpika sy ny kianja mitafo mahazaka mpijery 4.000 ao renivohim-paritry ny Boeny, ny 15 desambra 2022 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra iraisam-pirenena momban’ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina na ny CIJ. Marihana fa isan’ireo fotodrafitrasa handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023 ireo notsidihana ireo.
ANTENIMIERAM-PIRENENA: TATITRA TEO ANOLOAN’NY SOLOMBAVAMBAHOAKA
Tonga nanao tatitra teny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza mahakasika ny zava-bitan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena tao aorian'ny nanendrena azy ny volana febroary 2023, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja...