Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan’ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin’ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.
Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony nialohavan’ny fivoriana, izay notarihiny niaraka tamin’ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny izay nahitana ny Loholona MAHONJO Laurent, ny Solombavam-bahoaka TSILIVA ary ny Tale Jeneralin’ny BNGRC sy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana, mandrafitra ny Komity mpandrindra sy mpikarakara.
Ankoatra ny fizarana PPN sy lamba firakotra dia nisy ihany koa ny fitsaboana sy fanomezana fanafody satria iaraha-mahalala fa amin’ny vanim-potoana toy izao dia misy ny fiparitahan’ny valan’aretina isan-karazany.
Nanolotra fisaorana manokana noho ny fiaraha-mientana nataon’ny Eglizy sy ny fikambanana isan-karazany ary ireo malala-tanana rehetra ny tenany, izay nifanampy tamin’ny fanampiana ireo tra-boina.