Nigadona ny faha 05 Febroary 2023 tamin’ny 1h30 tolakandro teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ekipam-pirenena Malagasy BAREA izay niady sy naneho lalao tsara nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, izay natao tany Algérie ary nahazo ny laharana fahatelo aty Afrika, ao aorian’i Sénégal sy Algérie.
Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia manohana hatrany ny fanatanjahantena Malagasy ary MISAOTRA indrindra ny ekipan’i BAREA sy ireo delegasiona rehetra tany Algérie nanandratra sy nitondra avo ny voninahim-pirenena ary misaotra ny Malagasy rehetra miray fo hatrany!
Nitohy tamin’ny lanonam-pifaliana izay natao tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fandraisana ny ekipa Barea notarihin’i Filoham-pirenena Andry RAJOELINA notronin’ireo Filohan’ny Andrim-panjakana sy ireo mpikambana ao amin’ny Governementa ary ireo olo-manankaja maro. Feno hipoka tanteraka ny Kianja Be ny « Barea » Mahamasina.
Tao aorianan’ny fisaorana nataon’ireo maherifontsika notarihin’ny mpanazatra « Rôrô » ho an’ny Fitondram-panjakana sy ny vahoaka Malagasy tsivakivolo dia nanolotra fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo ho azy ireo tamin’ny anaran’ny Fanjakana sy ny Firenena Malagasy iray manontolo ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.