MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

CHAN 2022 : FITSENANA NY EKIPAM-PIRENENA BAREA

Nigadona ny faha 05 Febroary 2023 tamin’ny 1h30 tolakandro teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ekipam-pirenena Malagasy BAREA izay niady sy naneho lalao tsara nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, izay natao tany Algérie ary nahazo ny laharana fahatelo aty Afrika, ao aorian’i Sénégal sy Algérie.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia manohana hatrany ny fanatanjahantena Malagasy ary MISAOTRA indrindra ny ekipan’i BAREA sy ireo delegasiona rehetra tany Algérie nanandratra sy nitondra avo ny voninahim-pirenena ary misaotra ny Malagasy rehetra miray fo hatrany!

Nitohy tamin’ny lanonam-pifaliana izay natao tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fandraisana ny ekipa Barea notarihin’i Filoham-pirenena Andry RAJOELINA notronin’ireo Filohan’ny Andrim-panjakana sy ireo mpikambana ao amin’ny Governementa ary ireo olo-manankaja maro. Feno hipoka tanteraka ny Kianja Be ny « Barea » Mahamasina.

Tao aorianan’ny fisaorana nataon’ireo maherifontsika notarihin’ny mpanazatra « Rôrô » ho an’ny Fitondram-panjakana sy ny vahoaka Malagasy tsivakivolo dia nanolotra fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo ho azy ireo tamin’ny anaran’ny Fanjakana sy ny Firenena Malagasy iray manontolo ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....