Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny faha 17 febroary 2023, ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taranja basket-ball na ny «FIBA 3×3 Africa Cup » lehilahy sy vehivavy izay natao tany le Caire – Egypte ny 03 Desambra sy 04 Desambra 2022 lasa teo.
Ankoatra ny nahazoana ny tompondaka tamin’ny « Jeux Africain 2019 » dia voahosotra ho tompondakan’i Afrika amin’ny Basket ball 3×3 ihany koa i Madagasikara sokajy lehilahy ️ary faharoa kosa ny sokajy vehivavy.
Nandritra ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity dia voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra « MVP » i Elly izay mpilalao Malagasy.
Notolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre national » izy ireo izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny FIBA 3×3 Africa cup ary nahazo ny » Commandeur de l’ordre de Mérite Sportif » ihany koa ireo sokajy lehilahy amin’ny maha-tompondaka azy ireo nandritra ny Jeux Africain 2019.
Nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny filoha’ny Federasiona ny taranja Basketball nandritra ny lahateniny.