MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKET BALL 3×3 : FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny faha 17 febroary 2023, ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taranja basket-ball na ny «FIBA 3×3 Africa Cup » lehilahy sy vehivavy izay natao tany le Caire – Egypte ny 03 Desambra sy 04 Desambra 2022 lasa teo.

Ankoatra ny nahazoana ny tompondaka tamin’ny « Jeux Africain 2019 » dia voahosotra ho tompondakan’i Afrika amin’ny Basket ball 3×3 ihany koa i Madagasikara sokajy lehilahy ️ary faharoa kosa ny sokajy vehivavy.

Nandritra ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity dia voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra « MVP » i Elly izay mpilalao Malagasy.

Notolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre national » izy ireo izay nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny FIBA 3×3 Africa cup ary nahazo ny  » Commandeur de l’ordre de Mérite Sportif » ihany koa ireo sokajy lehilahy amin’ny maha-tompondaka azy ireo nandritra ny Jeux Africain 2019.

Nitondra ny teny fisaorana sy fankasitrahana an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto ny filoha’ny Federasiona ny taranja Basketball nandritra ny lahateniny.

 

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....