MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JIOI 2023 : FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Niainga ny17 febroary 2023 ihany koa ireo andiany faharoa amin’ireo atleta hisitraka fiofanana any Chine izay fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena ho an’ ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy.

Atleta miisa 8 avy amin’ny taranja Badminton, 8 avy amin’ny taranja Tennis de table miampy mpanazatra iray avy ary tompon’andraikitra ara-taratasy 1 no mandrafitra ny delegasiona.

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mitsodrano azy ireo ary mirary fahombiazana hatrany.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....