MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa ny 21 febroary 2023, teto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ambohijatovo ny fanaovan-tsonian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ny Minisitra teo aloha, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Nisaotra ireo mpiara miasa taminy Andriamatoa TINOKA Roberto nandritra ny lahateniny tamin’izay fotoana nitantanany ity Minisitera ity ary nitso-drano ny mpandimby azy ny tenany amin’ny fanohizana ny andraikitra goavana izay ho sahanin’ity farany.

Etsy andanin’izay dia fahavononana hanohy ny asa ary hamita ireo efa natao no nanombohan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny fandraisam-pitenenany.

Nisaotra ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian amin’ny nametrahana izao andraikitra izao ny tenany nandritra izany.

Anisan’ny fanamby napetrany ny hitondra ny fampandrosoana efa natomboka teto anivon’ny Minisitera mba hahazoana vokatra tsara amin’ny fanatanjahantena Malagasy sy ny tanora ka hanatratrarana ny vina napetraky ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...