MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa ny 21 febroary 2023, teto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ambohijatovo ny fanaovan-tsonian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ny Minisitra teo aloha, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Nisaotra ireo mpiara miasa taminy Andriamatoa TINOKA Roberto nandritra ny lahateniny tamin’izay fotoana nitantanany ity Minisitera ity ary nitso-drano ny mpandimby azy ny tenany amin’ny fanohizana ny andraikitra goavana izay ho sahanin’ity farany.

Etsy andanin’izay dia fahavononana hanohy ny asa ary hamita ireo efa natao no nanombohan’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny fandraisam-pitenenany.

Nisaotra ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian amin’ny nametrahana izao andraikitra izao ny tenany nandritra izany.

Anisan’ny fanamby napetrany ny hitondra ny fampandrosoana efa natomboka teto anivon’ny Minisitera mba hahazoana vokatra tsara amin’ny fanatanjahantena Malagasy sy ny tanora ka hanatratrarana ny vina napetraky ny fitondram-panjakana.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....