Nandray ny solontenan’ny klioban’ny Stef’auto Atsinanana tao amin’ny toeram-piasany ao Ambohijatovo, ny 24 febroary 2023 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA.
Anisan’ireo klioba hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny « coupe des clubs de la zone 7 » izay atao any Maurice ny 25 febroary hatramin’ny 04 martsa 2023 izao izy ireo.
Nisaotra ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny Stef’auto amin’ny fanohanana azy ireo hiatrika ity fifaninanana ity.