MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JIOI 2023: FIVORIANA ARA-TEKNIKA MOMBA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA-11

Notontosaina ny 28 febroary 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny fivoriana izay niarahana tamin’ireo Filohan’ny Federasionina sy Tale Teknika nasionaly rehetra izay mandray anjara amin’ny lalaon’ny nosy andiany faha11 izay ho tanterahina eto Madagasikara amin’ity taona ity.

Nisongadina nandritra izany ireo fandaminana ara-teknika sy ny mahakasika ireo fitaovana rehetra ilaina hapetraka eny amin’ny ivo-toerana izay hampiasaina handraisana ny fifaninanana.

Nitarika izany fivoriana izany ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ny Tale Jeneralin’ny Tafita, Andriamatoa RAKOTOARIMANGA Eric, notronin’ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ary ny Sekretera Jeneraly ny Komity Olaimpika Malagasy, Andriamatoa RANDRIAMANARIVO Harinelina.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....