Notanterahina ny 28 febroary 2023 tao amin’ny Hôtel Le Louvre Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny fitondrana Japoney tamin’ny alalan’Andriamatoa ABE Koji, Ambasadaoron’i Japon monina sy miasa eto Madagasikara sy ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo izay tarihan’Andriamatoa BRUNO Eric Saïd.
Fahazoana fitaovana ara-panatanjahantena avy amin’ny fanjakana Japoney ho entina ampiasaina ao amin’ny Dojo Nasionalin’ny Federasiona Malagasy ny Judo no voarakitra ao anatin’ity fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa ity.
Tonga nanome voninahitra nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny Tale jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, ny Filoha mpitantana ny Fikambanam-be Afrikana ny taranja Judo, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO.
Nandritra ny lahateny izany nataony no nankasitrahany ny ezaka rehetra nataon’ny federasiona izay tarihan’Andriamatoa Bruno Eric Said, tonga amin’izao dingana lehibe izao izay natao hampiakatra ny lentan’ny taranja Judo. Teo koa fampitaina ny hafatra avy amin’Andriamatoa Ministra ny amin’ny fahavononany sy fanohanan’ny fanjakana Malagasy ny fanatanjahantena ary mamporisika hatrany ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa misy indrindra amin’izao ankatoky ny Lalaon’ny Nosy izao.