MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

LIFESKILLS FANOITRA

Anisan’ny asa sy vina ary paikady napetraky ny Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA ny hisitrahan’ny tanora maherin’ny 3000 ny fampiofanana LIFESKILLS FANOITRA izay karakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena amin’ny alalan’ny Fitaleavana rehetra misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera izay tarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora.

Ankehitriny dia tanora maherin’ny 5000 isa avy amin’ny fikambanana maro samihafa na olon-tsotra tsy anaty fikambanana no nisitraka ity fiofanana ity.

Nanombohana izany ny module I  » Culture de la Vision » ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga.

Andalam-pandaminana kosa ny eto anivon’ny Minisitera amin’ny fikarakarana ny fiofanana LIFESKILLS FANOITRA ity mba hisitraka izany ihany koa ireo tanora maro any amin’ny Faritra.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....