MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TOHANA HO AN’IREO TANORA TRATRAN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Tao aorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho ny 04 Martsa 2023 tao Talala Ampano dia tonga nanotrona sy nampahery ireo tanora niharan’ity loza ity tao amin’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy Ramatoa VINA Marie-Orléa, Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.

Tamin’ny anaran’izy mianadahy Minisitra ireo no nanoloran’ny Fitondram-panjakana tohana hoan’ny tanora niharam-boina rehetra sy ny famangiana ho an’ny fianakaviana mana-manjo.

Marihana tsara fa noraisin’ny Fitondram-panjakana tanteraka tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana ny sarany fitiliana sy ny fitsaboana rehetra.

Tsy hadino ihany koa ny manolotra ny fisaorana mitafotafo hoan’ny Solombavambahoaka, ny Governora, ny Préfet, ireo Ben’ny Tanàna sy ny Fitaleavam-paritra izay niara-nientana tamin’ny fikarakarana rehetra raha vao nanomboka nitranga ny loza ka mandrak’androany.

Miray fo tanteraka sy mankahery ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo tanora niaram-boina tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....