Tonga nitsidika tamin’ny fomba am-panajana an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo ny mpanazatra ny ekipam-pirenena BAREA, Andriamatoa Nicolas DUPUIS,ny 06 martsa 2023.
Niarahaba sy nirary soa an’Andriamatoa Minisitra ny tenany nandritra izany ary naneho ny fahavononany ny roa tonta amin’ny fanohanana sy fampandrosoana ny taranja baolina kitra Malagasy.
Anisany noresahana nandritra ity fihaonana ity ny lalao mandroso amin’ny fifanitsanana CAN 2023 izay ho atao ny alakamisy 23 martsa 2023 izao, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina.