MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

08 MARS : FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY

« Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy».

Io no lohahevitra entina hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay atao eto Antananarivo amin’ity taona ity . Anisany mankalaza izany ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Mandray anjara amin’ny fampiratiana amin’ny alalan’ny trano eva miaraka amin’ireo Minisitera isan-tsokajiny ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao amin’ny kianja mitafon’ny Mahamasina, mandritra ny telo (3) andro: 06, 07, 08 martsa 2023 izao.

Fampahafantarana bebe kokoa mahakasika ny Ministera sy fampiratiana ny vokatr’ireo tanora vehivavy mpandraharaha no aseho amin’izany.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...