MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’ NY AMBASADAORON’I FRANTSA

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, amin’izao fanendrena azy hitantana ny Minisitera izao ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Arnaud GUILLOIS niaraka tamin’ny mpiara miasa aminy, ny 07 martsa 2023.

Anisany mpanohana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Malagasy i Frantsa nandritra ny taona maro.

Tafiditra tamin’ny dinika nifanaovan’ny roa tonta ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy amin’ny volana aogositra izao ary nanambara ny fahavononan’i Frantsa hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomanana ity lalaon’ny Nosy ity Andriamatoa Arnaud GUILLOIS, ary indrindra eo amin’ny lafiny fanofanana ireo atleta Malagasy.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....