MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

DIABEN’NY VEHIVAVY

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izao dia nanatanteraka diabe niainga teo amin’ny kianja mitafo Ankorondrano hatrany amin’ny kianja Alarobia ireo vehivavy rehetra eto anivon’ny Minisitera izay teo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA, ny 7 martsa 2023.

Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ireo vehivavy eto amin’ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Myria Josée RESAMPA, vadin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ireo Tale vehivavy isan-tsokajiny.

Teny amin’ny kianja Alarobia no niarahan’izy ireo nanao fanatanjahantena ho mariky ny fiaraha-mientana ankatoky ny fankalazana ny 8 martsa izao.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...