Tonga nijery ifotony ireo traboina sy fahasimbana vokatrin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tao Toliara ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ary ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny Governemanta misolotena ny fitondram-panjakana amin’ny fandraisana an-tanana ireo vahoaka traboina ao an-toerana.
Nitondra fanampiana hanarenana ny fiainan’ireo traboina ny fitondram-panjakana mba hiverenan’izy ireo hamonjy ny toeram-ponenany tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza izao.
Hamafisina hatrany ny firaisan-kina sy ny fifanomezan-tanana amin’izao zava-misy hatrehina izao.