MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TOLIARA: FANOMEZANA FANAMPIANA IREO TRABOINA

Taorian’ny fitsidihana sy fanomezana fanampiana ireo traboina tao amin’ny CEG Antaninarenina izay notarihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady dia nitohy tao amin’ny kianja Andaboly sy tao amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II ny fanolorana vary sy menaka sy ireo kojakoja maro samihafa mba hahafahan’izy ireo miatrika sy miotra indray amin’ny fiainana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Ankoatr’ireo fanampiana ireo dia nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro na « kits solaires » ihany koa izy ireo.

Nanotrona izany rehetra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta vitsivitsy sy ireo olom-panjakana ambony ary ireo olo-manakaja maro eto an-toerana.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...