Taorian’ny fitsidihana sy fanomezana fanampiana ireo traboina tao amin’ny CEG Antaninarenina izay notarihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady dia nitohy tao amin’ny kianja Andaboly sy tao amin’ny kaominina Ankililoaka, distrikan’i Toliara II ny fanolorana vary sy menaka sy ireo kojakoja maro samihafa mba hahafahan’izy ireo miatrika sy miotra indray amin’ny fiainana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Ankoatr’ireo fanampiana ireo dia nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro na « kits solaires » ihany koa izy ireo.
Nanotrona izany rehetra izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, niaraka tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta vitsivitsy sy ireo olom-panjakana ambony ary ireo olo-manakaja maro eto an-toerana.