Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny kianja mitafo tao sakaraha ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy notronin’ny Solombavambahoaka sy ireo olo-manankaja isan-tsokajiny tao an-toerana ary ny orinasa misahana ny fanatanterahana ny asa, ny 14 martsa 2023.
Kianja mitafo mahazaka mpijery miisa 1000, ary ahitana efitra miisa 2 ho an’ny mpitsara, miisa 4 ho an’ny mpilalao, ary toeram-pidiovana ho an’ny lahy sy ny vavy ity kianja mitafo ao Sakaraha ity.