Notanterahina ny 15 martsa 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny dinika ara-teknika izay niarahana tamin’ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Asa, Fampananan’Asa sy Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, sy ny avy ao amin’ny « Inspection de Travail » ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena.
Nodinihina nandritra izany ny hijerena akaiky mahakasika ny fisitrahana congé manokana sy ny tsy fahatapahana karama mandritra ny fandraisana anjaran’ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy amperin’asa amin’ny fampivondronana na lalao iraisam-pirenena, manoloana ireo andininy vitsivitsy mahakasika azy ireo izay voarakitra ao anatin’ny tolo-dalàna vaovao mifehy ny asa.