MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

DINIKA MAHAKASIKA NY MPANAO FANATANJAHANTENA EO AMIN’NY SEHATRY NY ASA

Notanterahina ny 15 martsa 2023 tao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny dinika ara-teknika izay niarahana tamin’ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Asa, Fampananan’Asa sy Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, sy ny avy ao amin’ny « Inspection de Travail » ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena.

Nodinihina nandritra izany ny hijerena akaiky mahakasika ny fisitrahana congé manokana sy ny tsy fahatapahana karama mandritra ny fandraisana anjaran’ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy amperin’asa amin’ny fampivondronana na lalao iraisam-pirenena, manoloana ireo andininy vitsivitsy mahakasika azy ireo izay voarakitra ao anatin’ny tolo-dalàna vaovao mifehy ny asa.

Autre Articles

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

FIHAONANA TAMIN’NY MASOIVOHON’ I KOREA

Nihaona tamin'ny masoivohon'i Korea monina sy miasa eto Madagasikara, Andriamatoa SON Yongho, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA ny faha 12 may 2023 lasa teo. Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta eo...

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

FIOFANANA MOMBA NY FAHAIZANA NOMERIKA

Notanterahana ny 12 may 2023, tao  amin'ny HABAKA Tsimbazaza ny fanokafana ny fiofanana momba ny fahaizana nomerika niarahana tamin'ireo iraky ny vondrona Afrikanina misahana ny tanora, izay notarihan-dRamatoa Chido Mpemba. Nisolotena an'Andriamatoa André Haja...

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

TARANJA TENNIS: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny Federasiona Malagasy ny taranja tennis, izay tarihan'ny Filohany,  Andriamatoa Soloniaina RAKOTOMANIRAKA, ny 11 may 2023. Voaresaka nandritra...

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

FANOLORANA MARI-BONINAHITRA IREO ATLETA

Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nandritra ny " Journée des médaillés" tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny 07 may 2023, ireo atleta Malagasy namiratra sy nitondra vokatra tsara teo amin'ny fifaninanana kaontinanta Afrikanina sy ny iraisam-pirenena...

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

TOAMASINA: FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tao aorian'ny faritra Analamanga dia anjaran'ny tanora tao Toamasina, Faritra Antsinanana indray no nisitraka fiofanana LIFESKILLS FANOITRA, izay tetikasan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, izay tarihan'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA. Tanora...

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

LIFESKILLS FANOITRA: FIOFANANA NY MODULE 2 SY 3

Tontosa ny Talata 2 may 2023 tao amin'ny Palais des Sports Mahamasina ny fiofanana Lifeskills Fanoitra module 2 sy module 3 mahakasika ny lohahevitra "Fanabeazana maha-olom-pirenena vanona, fandriampahalemana, ady amin'ny kolikoly, fiarovana ny tontolo iainana" sy ny...