MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

IAVOLOHA ATSIMONDRANO: FANANGANANA KIANJA MANARAPENITRA HOAN’NY KLIOBA CFFA

Hatsangana ao Iavoloha Atsimondrano ny Kianja manarapenitra hoan’ny klioban’ny CFFA-Andoharanofotsy izay fotodrafitrasa lehibe sy tsy mena-mitaha. Hatsangana ho an’ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena ary ho ambohipihaonan’ny vahoakan’Atsimondrano ity kianja ity.

Tonga nametraka ny vatofototra ny 16 martsa 2023, ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, notronin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Ben’ny Tanana an’Andoharanofotsy, sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo-Atsimondrano, Andriamatoa Governora an’Analamanga sy Governora hafa, Ben’ny Tanana maro, ary ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY izay nisolotena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ary ireo olo-manankaja maro samihafa.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....