MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

BASKETBALL: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin’ny fomba am-panajana an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan’ny Federasionina Malagasy ny taranja Basketball, Andriamatoa Jean Michel RAMAROSON, ny 17 martsa 2023.

Niarahaba sy nirary soa an’Andriamatoa Minisitra ny tenany ary naneho fahavononana hatrany amin’ny fampandrosoana ny taranja Basketball Malagasy.

Voaresaka nandritra izany ihany koa ny fanomanana sy fiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Basket ball 3×3 sokajy lehilahy izay hatao ny 30 May hatramin’ny 4 Jona 2023 any Autriche sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany latsaky ny 19 taona (U-19) sokajy lehilahy izay atao any Debrecen Hongrie, ny 24 Jona hatramin’ny 02 Jolay 2023 ho avy izao.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...