MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOOTBALL: FANOMANANA NY LALAO MANDROSO BAREA CAN 2023

Nanatanteraka fivoriana momba ny fanomanana ny fampiantranoana ny Lalao mandroso ny Barea CAN 2023 niaraka tamin’ny Federasiona Malagasy ny taranja Baolina kitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena sy ireo rafitra hafa voakasik’izany anisan’izany ny Fiadidiana ny Kaominin’Antananarivo. Fivoriana izay natao tao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny faha 17 martsa 2023.

Toy ny mahazatra dia ifandrimbonan’ny rehetra ny fikarakarana ny lalao satria tsy eo amin’ny lafiny vokatra ihany no anandratana ny voninahim-pirenena amin’ny alalan’ny fanatanjahantena fa eo amin’ny lafiny fikarakarana ihany koa mba hotomombana an-tsakany sy andavany izany.

Milamina araka izany ny fanomanana sy fikarakarana rehetra.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...