Notanterahina ny 18 martsa 2023, teny amin’ny kianja filalaovana tsipy kanetibe PAC Ampitatafika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pilalaovana 2023 eo taranja tsipy kanetibe. Anisany vaovao mahafaly ny fiverenan’i Madagasikara indray eo amin’ny fandraisana anjara amin’ny lalao iraisam-pirenena araka ny fanazavana nomen’ny Filohan’ny Federasiona, Andriamatoa Amiroudine.
Tonga nanome voninahitra izany ary nisolontena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena André Haja RESAMPA, ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera.