MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHINA NATAON’NY SOLOTENANAN’NY FEDERASIONA FRANTSAY NY TARANJA HANDBALL

Nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, ny irakin’ny Filohan’ny Federasiona Frantsay ny taranja Handball, Andriamatoa Christophe Naal niaraka tamin’ny solotenan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Handball.

Fanamafisana ny fiaraha-miasa misy sy ny fampivoarana ity taranja ity eto Madagasikara eo anivon’ny Federasiona Malagasy sy ny Federasiona Frantsay ny taranja Handball ary ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena no votoatin-dresaka nandritra izao fihaonana izao.

Hijery ny olana misy sy ny fomba hifanampiana amin’ny lafiny teknika indrindra indrindra anisan’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampivondronana ny mpilalao.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....