Tonga namaly ny fanasana avy amin’Andriamatoa Arnaud GUILLOIS, masoivohon’ny Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara, izay nitsodrano ireo ekipa U18 avy amin’ny Association Terres en Mêlées izay hiatrika ny fifaninanana « Tournoi AROI » (Association de Rugby de l’Océan Indien) ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny faha 22 martsa 2023.
Hatao any La Réunion ny 24 hatramin’ny 25 martsa 2023 hoavy izao ity fifaninanana izay handraisan’i Madagasikara anjara.
Firenena miisa efatra eto amin’ny ranomasimbe Indianina no handray anjara amin’izany: la Réunion, Mayotte, Maurice ary i Madagasikara.