MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’NY JAPON MIASA ETO MADAGASIKARA.

Tonga nitsidika am-panajana an’ Andriamatoa Andre Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny masoivohon’ny Japon miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa ABE Koji, ny faha 24 martsa 2023 tao Ambohijatovo.

Niarahaba an’Andriamatoa Minisitra tamin’ny fanendrena azy hitantana ity Ministera ity ny tenany, ary naneho ny fahavononana hanohy ny fiaraha miasa efa nisy teo amin’ny firenena roa tonta amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena.

Nisaotra ny Ambasadaoron’ny Japon amin’ny fiaraha-miasa nisy hatramin’izay ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ary manantena ny hitohizan’izany hatrany, indrindra amin’izao ankatokin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay Madagasikara no hampiantrano azy izao.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....