MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

« RENCONTRE DE L’ACADÉMIE NATIONALE DES SPORTS »

Notanterahina ny faha 24 martsa 2023 tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha ny « RENCONTRES DE L’ANS » andiany voalohany.

Ny anjara toerana, andraikitra ary ny antom-pisian’ny Académie Nationale des Sports eo amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fanatanjahatena sy ny fanabeazana ara-batana no lohahevitra tamin’izany.

Tonga nanotrona ity fotoana ity ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera, ireo mpampianatra fanatanjahatena ary ireo solotena avy ao amin’ny Federasiona.

Sehatra iray ahafahana mifanakalo, maneho hevitra, mizara ary mijoro ho vavolombelona eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no tanjona amin’ity « RENCONTRES DE L’ANS » ity.

Autre Articles

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

MORONDAVA: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Tonga nijery ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra ao Morondava ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy notronin'ny Governoran'ny Faritra Menabe sy ny orinasa misahana ny...

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Tonga nitsidika tamin'ny fomba am-panajana an'Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin'ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan’ny komity Olaimpika Malagasy, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, ny 24 febroary 2023. Niarahaba sy nirary soa...

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

FIFAMINDRAM-PAHEFANA

Tontosa ny 21 febroary 2023, teto anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Ambohijatovo ny fanaovan-tsonian'ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ny Minisitra teo aloha, Andriamatoa TINOKA Roberto....

JIOI 2023 : FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

JIOI 2023 : FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Niainga ny17 febroary 2023 ihany koa ireo andiany faharoa amin'ireo atleta hisitraka fiofanana any Chine izay fampanantenana nataon'ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena ho an' ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy. Atleta miisa 8 avy...

BASKET BALL 3×3 : FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY

BASKET BALL 3×3 : FANDRAISANA IREO EKIPAM-PIRENENA ANKOAY

Noraisin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny faha 17 febroary 2023, ny ekipam-pirenena ANKOAY izay niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny taranja basket-ball na ny «FIBA 3x3 Africa Cup » lehilahy sy...

JIOI 2023 : FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

JIOI 2023 : FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Araka ny fampanantenana nataon'ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy, dia nanainga ho any Chine tamin'ny herinandro lasa teo ny taranja 4 : ny Athlétisme, ny Badminton, ny Haltérophilie ary ny...

CHAN 2022 : FITSENANA NY EKIPAM-PIRENENA BAREA

CHAN 2022 : FITSENANA NY EKIPAM-PIRENENA BAREA

Nigadona ny faha 05 Febroary 2023 tamin'ny 1h30 tolakandro teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny ekipam-pirenena Malagasy BAREA izay niady sy naneho lalao tsara nandritra ny fifaninanana CHAN 2022, izay natao tany Algérie ary nahazo ny laharana fahatelo aty...