MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

JUDO: FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY

Nandray ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo, Andriamatoa SAID Bruno Eric sy Ramatoa Laura RASOANAIVO, tao amin’ny biraony Ambohijatovo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 1 aprily 2023.

Fanamafisiana hatrany ny fiaraha-miasa sy fampandrosoana ity taranja ity no voaresaka nandritra izany ary ny handraisan’i Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy « Cadet sy Junior » izay hatao ny volana Jolay hoavy izao.

Nampahafantatra ihany koa ny eo anivon’ny Federasiona amin’ny handraisan’i Laura RASOANAIVO anjara amin’ny « Open Africa » sokajy Junior izay atao any Luanda, Angola ny faha 7 hatramin’ny 9 aprily 2023 izao ary ny Fiadiana ny tompondaka eran-tany sokajy « Senior » izay atao any Doha ny faha 7 may 2023.

Autre Articles

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

FIOFANANA LIFESKILLS FANOITRA

Tanora mahery ny dimanjato sy arivo no tonga niofana mahakasika ny LIFESKILLS FANOITRA (module 1: culture de vision), atolotry ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay eo ambany fitarihan'Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, izay natao tao amin'ny...

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

FANDALOVAN’NY RIVO-DOZA CHENESO

Mizotra araka ny tokony ho izy ny voin-kava mahatratra izay tanterahina ao amin'ny Faritr'i Menabe ho fanohanana ireo mponina ao an-toerana vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO. Tonga tao Morondava araka izany ny fanampiana avy amin’ny BNGRC. Tonga tao...

VOIN-KAVA MAHATRATRA

VOIN-KAVA MAHATRATRA

Ho fiaraha-mientana sy fanampiana ny mpiara-belona izay tra-boina noho ny fandalovan'ny rivo-doza CHENESO, dia mamita iraka any amin'ny Faritra Menabe ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony...