Nandray ny Filohan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Judo, Andriamatoa SAID Bruno Eric sy Ramatoa Laura RASOANAIVO, tao amin’ny biraony Ambohijatovo ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA, ny 1 aprily 2023.
Fanamafisiana hatrany ny fiaraha-miasa sy fampandrosoana ity taranja ity no voaresaka nandritra izany ary ny handraisan’i Madagasikara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy « Cadet sy Junior » izay hatao ny volana Jolay hoavy izao.
Nampahafantatra ihany koa ny eo anivon’ny Federasiona amin’ny handraisan’i Laura RASOANAIVO anjara amin’ny « Open Africa » sokajy Junior izay atao any Luanda, Angola ny faha 7 hatramin’ny 9 aprily 2023 izao ary ny Fiadiana ny tompondaka eran-tany sokajy « Senior » izay atao any Doha ny faha 7 may 2023.