MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FOOTBALL: SEMINERA MAHAKASIKA NY BAOLINA KITRA HOAN’NY VEHIVAVY

Notanterahana ny 03 sy 04 aprily 2023 tetsy amin’ny Hotel Novotel Alarobia ny seminera mahakasika ny Baolina kitra ho an’ny vehivavy eto Madagasikara izay niarahan’ny Federasiona Malagasy ny taranja Baolina kitra sy ny UEFA.

Natao izany ho famolavolana ny paikady ho entina hampandrosoana sy hampiroboroboana ny baolina kitra ho an’ny vehivavy.

Nandray anjara tamin’izany ny eto anivon’ny Minisitera izay notarihan-dRamatoa Myria Josée RESAMPA, vadin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sy ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, ary ireo tompon’andraikitra vehivavy isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....