MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

ONIVERSITE ANTANANARIVO

Ho fanohanana ny Tanora eny anivon’ny anjery manontolo dia nisy ny fihaonana izay niarahana tamin’ny Filohan’ny Oniversite Antananarivo, Andriamatoa Profesora Mamy Raoul RAVELOMANANA, sy ny Filoha lefitra ny Oniversiten’Antananarivo, Ramatoa RAVAOMANARIVO Lala, ny 04 aprily 2023.

Niompana tamin’ny fijerena ny fiaraha-miasa mahakasika ny fampandriam-pahalemana ho an’ny tanora hiarahana amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny fikambanan’ny firenena mikambana tohanan’ny Peace building Found ny fihaonana.

Aorian’ny izao fihaonana izao dia hisy ny fanaovana dinik’asa hiarahana amin’ny solotenan’ny mpianatra sy ireo Filohan’ny fikambanan’ny mpianatra izay hatao ny faha 6 aprily 2023 izao.

Tonga nanatrika izany Ramatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora eto anivon’ny Minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo solotenan’ny firenena mikambana samihafa miasa eto Madagasikara.

Autre Articles

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ZON’NY ANKIZY

Notanterahina ny 25 hatramin'ny 27 aprily 2023 tao amin'ny ILO hôtel Ambohidratrimo ny atrik'asa mahakasika ny fanentanana sy fanoloran-tenan'ireo Governora sy ireo Préfet amin'ny fandrindrana ny fampiharana ary ny fanaraha-maso ny fandraisan'ny sehatra maro anjara...

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

TARANJA TOLONA: FAMPIOFANANA MPANAZATRA SY MPITSARA

Notanterahana ny 25 aprily 2023 tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fotoam-pizarana ny  taratasim-panamarinana ho an'ireo mpanazatra eo amin'ny taranja tolona miisa 26 nanaraka fiofanana nandritra ny 5 andro niarahana tamin'ireo manam-pahaizana...

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

FAMPIOFANANA ETO ANIVON’NY ACADEMIE NATIONALE DES SPORTS

Notontosaina teto amin’ny ANS Ampefiloha ny fotoam-pamaranana ny fampiofanana izay natao ny 17 hatramin’ny 20 aprily 2023 lasa teo hoan’ireo mpanentana eo anivon’ny toerana fanetseham-batana. Ny tanjona dia hampiasaina amin’ny fanabeazana sy fampiroboroboana ny...