Tonga nitsidika am-panajana an’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, androany 6 aprily 2023 teto amin’ny biraony Ambohijatovo ny solotenan’ny PNUD monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa NATASHA Van Rijn.
Naneho ny fahavononana hatrany hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny fanohanana ny tanora Malagasy ny roa tonta ary nisaotra ny PNUD amin’ny fiaraha-miasa nisy hatramin’izay ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA nandritra ity fihaonana ity.