Notanterahina nandritra ny telo andro nanomboka ny 14 aprily tao am kianja mitafo Ankorondrano ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Judo. Ny sokajin-taona cadets sy junior lahy sy vavy no nanokatra ny fifaninanana .
Ny sabotsy 15 aprily dia ny sokajy minimes sy senior lahy sy vavy indray no niady ny anaram-boninahitra, ary niditra tamin’ny fifaninanana « kata » ihany koa ireo mpikatroka sokajy « vétéran ».
Tonga nanotrona ny fanokafana izany fifaninanana izany ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera izay nisolontena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.