MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

TARANJA JUDO: FIADIANA NY TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA

Notanterahina nandritra ny telo andro nanomboka ny 14 aprily tao am kianja mitafo Ankorondrano ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Judo. Ny sokajin-taona cadets sy junior lahy sy vavy no nanokatra ny fifaninanana .

Ny sabotsy 15 aprily dia ny sokajy minimes sy senior lahy sy vavy indray no niady ny anaram-boninahitra, ary niditra tamin’ny fifaninanana « kata » ihany koa ireo mpikatroka sokajy « vétéran ».

Tonga nanotrona ny fanokafana izany fifaninanana izany ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera izay nisolontena an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....