Notanterahana ny 15 aprily 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an’ny mpitsara sy ny mpilalao, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an’ny lahy sy vavy ary indrindra ahitana « salle de musculation » ity kianja manarapenitra ity.
Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena, ny Loholona sy Solombavam-bahoaka ary ireo olo-manankaja ambony ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany sy nankasitrahany ny Filoham-pirenena. Nasongadiny tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra toy izao entina hikarakarana ny tanora.
Marihina fa Distrika fahavalo nisitraka fitokanana ny eto Ambositra.
Fananana iaraha-manana ny fotodrafitrasa toy izao, izay hipetraka ho an’ny taranaka faramandimby. Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena eto amin’ny Faritra Amoron’i Mania satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena sy mandray ary mikarakara lalao eto an-toerana.
« Manàna fahasahiana, manàna finoana, manolora tena ary manàna vina hitondra amin’ny ambony » hoy hatrany ny tenany.