MINISTÈRE DE LA JEUNESSE

ET DES SPORTS

FLASH

FARITRA AMORON’I MANIA : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA AKOROMBE

Notanterahana ny 15 aprily 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an’ny mpitsara sy ny mpilalao, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an’ny lahy sy vavy ary indrindra ahitana « salle de musculation  » ity kianja manarapenitra ity.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA izay notronin’Andriamatoa André Haja RESAMPA, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, sy ireo mpikambana sasany ao anatin’ny Governemanta, ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena, ny Loholona sy Solombavam-bahoaka ary ireo olo-manankaja ambony ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany sy nankasitrahany ny Filoham-pirenena. Nasongadiny tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra toy izao entina hikarakarana ny tanora.

Marihina fa Distrika fahavalo nisitraka fitokanana ny eto Ambositra.

Fananana iaraha-manana ny fotodrafitrasa toy izao, izay hipetraka ho an’ny taranaka faramandimby. Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena eto amin’ny Faritra Amoron’i Mania satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena sy mandray ary mikarakara lalao eto an-toerana.

« Manàna fahasahiana, manàna finoana, manolora tena ary manàna vina hitondra amin’ny ambony » hoy hatrany ny tenany.

Autre Articles

ATHLETISME POUR TOUS

ATHLETISME POUR TOUS

Notontosaina ny 21 May 2023 manodidina ny farihin’Anosy ny hazakazaka ho an'ny daholobe na ny "Athlétisme pour tous" izay nahitana mpandray anjara miisa 1000 mahery eo ho eo. Hetsika ankalazaina manerantany ary fanao isan-taona eo amin'ny sehatry ny hazakazaka sy ny...

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

RUGBY XV: WOMEN’S AFRICA CUP 1st Edition

Notanterahana ny faha 20 May 2023 tetsy amin'ny Kianja Makis Andohatapenaka ny lalao fanokafana amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika, andiany voalohany eo amin'ny taranja rugby lalaovin'olona 15, sokajy vehivavy. Resy nanoloana ny ekipan'i Kenya tamin'isa 29 - 20...

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

BASKET 3×3: FIADIANA NY TOMPONDAKA MANERANTANY

Nanainga ny 14 may 2023 nihazo an'i Serbie hiatrika fanomanan-tena mandritra ny 15 andro mialoha ny hiatrehany ny fiadiana ny tompondaka manerantany izay hatao any Vienne Autriche ny 30 may hatramin'ny 4 jona 2023 izao ireo delegasiona Malagasy Ankoay hiatrika izany....